Trano Falafa
“Ny Hevitry ny Maro Mahataka-Davitra”
“Ao an-trano falafa…
Ao isika no hiresadresaka…
Mandrosoa àry ianao re rahavako…!”
– Henri Ratsimbazafy –
Miarahaba anao mamangy ity trano falafa ity! Mino aho fa tsy dia ho sarotiny ianao raha toa ka tsy tamin’ny teny Malagasy manontolo ny hevitra nampitaina tamin’ny “presentations” eo ambany. Ndeha mba ny hevitra voafono ao no hifanakalozana fa tsy ny teny nampitàna azy e! Sa ahoana?
Ilaina no manamarika fa hevitra niainga tamin'ny dinidinika sy resadresaka natao tamin'Andriamatoa Alain Valency (namana eto Johannesburg, Afrika Atsimo) no navoaka tamin'ireo "presentations" ireo. Rehefa mifankahita tokoa mantsy ny samy Malagasy, indrindra moa fa aty an-dafin-dranomasina aty, dia samy mametsovetso ny firenena eo... dia samy misaintsaina ny zava-misy any an-tanindrazana any... Dia ireo nandramana naravina tamina "presentations" tsotsotra ireo ny hevitra vitsivitsy irina mba hozaraina aminao e!

Tsetsatsetsa tsy aritra! O ry zareo a! Raha jerena sy dinihina moa izao io sary eo ambany io, dia mba aiza ho aiza no misy an'i Madagasikara amin'izao fotoana izao? Aiza anefa, hoy ianao, no tsara tokony hisy ny firenentsika? Araka ny hevitrao, inona no tokony hatao NA ahoana no fomba hahatongavana amin'io toerana tsara tokony hisy an'i Madagasikara io? Dony aho Ranaotra a!
Divergent Thinking: Efa mba renao ve io resaka io? Jereo kely ange ity pejy ity, fa sao dia io kosa no ilain'i Madagasikara amin'izao fotoana izao sy ho amin'ny ho avy e?